Actualités

Vondrona STAR Tsy manadino ireo niangaran’ny vintana


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Tsy manadino ireo sahirana sy niangaran’ny vintana ny vondrona Star amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Nisy ny fizarana fanomezana nataon’izy ireo nahitana fotsimbary, siramamy, menaka, savony ho an’olona an-jatony.

Tafiditra tao anatin’izany ireo ankizy sahirana sy kamboty, ireo zokiolona tsy manam-piahy…hetsika nofaranana omaly teny Ankadivato. Ho an’ireo ankizy madinika manovo fahalalana ao amin’ny sekoly Akamasoa eny Andralanitra dia miisa 7.000 izy ireo no nahazo tombontsoa. Miisa 100 kosa ireo zokiolona mihoatra ny 60 taona avy ao amin’ny fokontany Ankadivato izay raisin’ny fikambanana Sharemada an-tanana notolorana manokana sy ireo ireo ankizy sahirana sy kamboty miisa 178 eo ambany fiahian’ny fikambanana SOS Villages d'enfants. Mitentina 10 tapitrisa Ariary raha tsiahivina ny totalim-bidin’ny fanomezana rehetra. Hetsika efa fanaon’ny vondrona Star isan-taona moa ny tahaka izao ary miezaka hatrany izy ireo manamaivana ny fahasahiranan’ny tsirairay, indrindra fa ireo tena sahirana.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT