Namoaka sary famantarana vaovao ny vondrona Star. Sary famantarana miavaka tsy toy ny mahazatra hatramin’izay izy io amin’ny ankapobeny satria dia maneho ny fiainan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy.
Manaporofo izany, hoy ny tompon’andraikitra fa mifaningotra am-po ny vahoaka Malagasy sy ny vondrona Star ary mbola vonona ny hiara-kiasa sy hifanohana hatrany. Vonona ny vondrona hanampy ny samy Malagasy amin’ny famokarana ireo karazana akora ilain’izy ireo. Tanjona ny hanatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha mpamokatra sy hampiroboroboana ny toekarem-pirenena. Vonona ihany koa izy ireo hanatsara ny kalitaon’ny vokatra vokariny entina hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Efa mandeha eny anivon’ireo fahitalavitra maro samihafa ity sary famantarana vaovaon’ny vondrona Star ity izay mampahafantatra ireo karazana fiainana iainan’ny Malagasy isan-tsokajiny amin’ny loko maro samihafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.