Actualités

Vondrona Eoropeanina voasazy herintaona i Madagasikara


  • Zoma 04 Jona 2010

Nanapa-kevitra ny hampiato ny fanampiana ara-bola fanomeny an’i Madagasikara ny Vondrona Eoropeanina. Ny fanampiana mahakasika mivantana ny olona no tsy tapaka, raha ny vaovao.

Izany no anisan’ny tapaka tamin’ny fihaonan’ny vaomiera eoropeanina tany Luxembourg, araka ny vaovao nampitain’ny Afp omaly. Haharitra herintaona eo ho eo ny sazy ho an’i Madagasikara ka ho tapaka avokoa ny fanampiana ara-bola, ao anatin’izany ny Tahiry eoropeanina ho an’ny fampandrosoana andiany faha-10. Izao fanapahan-kevitra izao no noraisin-dry zareo Eoropeanina, dia noho ny fanitsakitsahina ny demokrasia tamin’ny fakana fahefana ny 17 martsa 2009. Raha tsy miverina eto Madagasikara ny ara-dalàna, hoy ny vaovao dia tsy hiverina ny fanampiana. Ho an’ny Vondrona eoropeanina dia lalànan’ankolafy tokana ny sori-dalana milaza fa hanao fifidianana filoham-pirenena ny 26 novambra ho avy izao. Ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara kosa dia nilaza fa tsy mbola nolaniana io fanapahan-kevitra io fa mbola any amin’ny alatsinainy any. Noho ny olana ara-teknika, araka ny fanazavana ihany no nanemorana ny fanapahana ny hevitra, hoy ity solontena miasa eto amintsika ity.

Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT