Actualités

Vondrona Eoropeanina Manampy an’i Madagasikara amina sehatra maro


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Mafonja ny fiaraha-miasan’ny Vondrona Eoropeanina sy i Madagasikara, ary misandrahaka amina lafin-javatra maro mifototra amin’ny fampandrosoana, hoy ny fanehoan-kevitr’i Antonio Benedito Sanchez nandritra ny famaranana ny herinandron’i Eoropa teny amin’ny Tour Zital Ankorondrano ny sabotsy 12 mey teo.

 Sehatra maro no hifantohana amin’izany, toy ny fampianarana, fahasalamana, fanjarian-tsakafo, ny fananganana fotodrafitrasa, ny angovo,… Misy ny vokatra azo tsapain-tànana mba hanatsarana ny fari-piainan’ny fiarahamonina, hoy izy. Nambaran’ny minisitry ny rano sy ny angovo ary ny akoran’afo kosa Lantoniaina Rasoloelison kosa, fa mihafamafy hatrany ny fiaraha-miasan’ny governemanta Malagasy sy ny Firaisambe Eoropeanina. Maro dia maro, hoy izy, ny tetikasa miantraika mivantana amin’ny vahoaka manomboka any amin’ny zon’olombelona, ny fikarakarana momba ny fahaiza-mitantana ka hatrany amin’ny hoe fampandrosoana ny eny ambanivohitra, indrindra indrindra ny angovo sy ny rano fisotro madio, izay fiantombohan’ny fiainana mihitsy amin’ny resaka ara-tsakafo,… Goavana satria ny tena fiainan’ny vahoaka no sahanina. Ny zavatra iriana amin’ny tohiny dia hitombo hatrany izany ary ho tena fiaraha-miasa amin’ny firahalahiana tokoa, ary iriana anatina fotoana fohy foana no hahafahana mamaly izay fametrahana ireny tetikasa ireny. Momba ny angovo manokana dia nisy ny efa voatokana, toy ny tany Anjozorobe, Amboasary Nord,… dia ny tohodrano na ireo antsoina hoe « micro-barrage hydroelectrique » izany hoe na 120Kw eo fotsiny aza, saingy mamaha olana ho an’ny vahoaka any ifotony any, ary ireny indrindra no hametrahana ny tetikasa hafa, toy ny angovo azo havaozina, izay ampian-dry zareo vondrona Eoropeanina ny resaka famatsiam-bola. Nambarany moa fa tafiditra ao anatin’ny fanatratrana ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra, ka any amin’ny taona 2030 dia kendrena ho ny 70%n’ny Malagasy no misitraka herinaratra. Tsara ny manamarika fa 14% na 15% izany amin’izao fotoana izao.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT