Tsy nanadino ireo mpampianatra zokiolona miisa 40 mpikambana ao aminy ny vondrona Aneffa tarihin’ny filohany Randrianasolo Lova amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao.
Notolorana solom-bodiakoho tetsy amin’ny INFP Mahamasina izy ireo omaly nahitana solontena folo isaky ny fari-piadidiam-pampianarana manerana ny DREN Analamanga. Nambaran’ny filohany fa hetsika iray entina hamerenana ny hasin’ny mpampianatra ny tahaka izao. Hatramin’izay mantsy dia toa natao tsinontsinona hatrany izy ireo na dia nodradrain’ny sendika namana sasany aza ny fijoroany hiaro ny zon’ny mpampianatra. Rehefa misy ny fitetezam-paritra ataon’ny mpampianatra FRAM dia izy ireo hatrany no miantoka ny tenany sy ny fandaniana rehetra. Mbola izy ireo ihany koa no asaina mizaka ny fandaniana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasiny hahafahany miditra ho mpiasam-panjakana izay mahatratra in-telo miantoana ao anatin’ny taona iray nefa andoavana 50.000 Ar isanisany. Tsy nahitam-bokany anefa satria dia nangonina fotsiny tao amin’ny tranon’ny mpiambina ny tanànan’ny filohan’ny sendika ny taratasy ary nodorana avy eo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.