Manomboka izao dia ny kolonely Ranaivonampoizina Harilaza indray no miadidy ny fibaikoana ao amin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Alaotra Mangoro. Izy no nandimby ny Lietna kolonely
Andriamorazaka Mahefa Mbelonirina izay voatendry hisahana andraikitra any amin’ny faritra Analanjirofo. Tao amin’ny kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka no nanatanterahana ny lanonana ara-miaramila teo amin’izay famindrana fibaikoana izay. Nanome voninahitra ny lanonana ny lefitry ny komandin’ny zandarimaria nasionaly ny jeneraly divizionera Randrianavalisoa Gérard sy ny komandin’ny vondrom-paritanin’ny zandary Toamasina ny jeneraly de Brigady Andrianjanaka Njatoarisoa.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.