Ny taona 2012 no niorina ny Institut Supérieur de gestion ao anatin’ny vondro-panabeazana Aceem. In-telo miantoana ireo mpianatra efa navoaka izay vao omaly ny andiany fahatelo samy nisalotra ny anarana “Ny ambinintsoa” avokoa.
Miisa 160 izy ireo, notolorana ny maripahaizana Diplômes de technicien supérieur sy ny licence raha nanaraka ny lalam-piofanana gestion et management, ny marketing, ary ny finance sy ny comptabilité. Efa am-perinasa avokoa ny 60 %-n’izy ireo, raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Ramanambintana Richard izay ny orinasa nanaovany fianarana arak’asa ihany no nandray azy raha mbola hanohy ny fianarany kosa ny 40 %. Nomarihiny moa fa efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny tompon’andraikitra ny sekoly tantanany ary afaka miaina tsy amin-tahotra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.