Nisokatra tamin`ny fomba ofisialy omaly tetsy amin`ny Hotel Carlton ny fikaonan-doha fiaraha-miasa faharoan`ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana Malagasy sy Frantsay izay haharitra telo andro.
Tonga nanotrona teny an-toerana ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina sy ireo filohan`ny andrimpanjakana samihafa. Nisantatra ireo kabary sy lahateny nifanesy Rtoa Lalao Ravalomanana. Natao mba hahafahana manao tomban'ezaka ny 12 taona lasa, satria tamin’ny taona 2006 no nisy izany fikaonandoha voalohany. Ho jerena sy ho dinihana ihany koa ireo kaominina izay mbola afaka mifandray amin’ny kaominina any ivelany satria faritra 13 amin`ny 22 no miray mivantana amin`ireo faritra any Frantsa ary efa nisitraka izany endri-piarahamiasa na ``jumellage`` tao aorian`ny fikaonan-doha voalohany. Mbola maro ireo kaominina eto Madagasikara no tsy mifandray amin’ny any ivelany na ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-paritra Frantsay. Ny tomban'ezaka atao dia ny fanjakana Frantsay sy Malagasy no manao fanamorana ny fifandraisana eo amin’ny tananany avy. 450 no isan`ireo mpandray anjara ka 177 dia tompon`andraikitra avy amin`ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana Malagasy ary 237 avy any Frantsa. Hifanakalozana traikefa, hairaha ary haitao ka hiarahana mamatsy an’ireo laharam-pahamehana amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Betsaka ny sehatra afaka isehoan`izany fiaraha-miasa izany toy ny fambolena, ny resaka fotodrafitrasa, ny fizahan-tany, ny tantara mampiavaka na mety ifamatoran’ny kaominina roa tonta, ny asa tanana, fanabeazana, ny fahasalamana, sns… Lohahevitra anisan`ny ho dinihana ny mahakisaka ny tanora, ny fitantanana tandindon-doza sy loza, ny fampandrosoana ara-toekarena ifotony, ny rano sy fidiovana ary fahadiovana. Fifanakazon-kevitra sy fiaraha-miasa vaovao no tanjona hirosoana amin`ny fanamafisan`ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara ary hatao hanamafy orina ny fifandraisana amin`ny firenena avy any ivelany toa ny Lafrantsa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.