Actualités

Volley – Analamanga Famaranana goavana telo eny Ankorondrano


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Fantatra izao ireo klioba hiady ny famaranan’ny diviziona voalohany lahy sy vavy sy ny diviziona faharoa amin’ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga. Ny Cosfa sy ASI moa no nahazo ny tapakilan’ny famaranan’ny D1 lehilahy ary ny VBCD sy AMVB ny vehivavy

 

. Raha tsiahivina ny vokatry ny manasa-dalana dia lavon’ny Miaramila seta 3-0 (25/19, 25/23, 25/23) ny VBCD ary ny Akany Sambatra Itaosy nanilika an’ny 3FANS tamin’ny seta 3-2. Mikasika ny vokatry ny ankatoky ny famaranan’ny vehivavy, ny VBCD nandresy an’ny ASI tamin’ny seta 3-0 ary toy izay koa no nandavoan’ny AMVB Mandroseza an’ny BI’AS. Tafita hiatrika ny famaranan’ny diviziona faharoa lehilahy kosa ny CSA sy ny GNVB. Iry voalohany moa dia nampiondrika an’ny HZMA seta 3-0 ary ny Zandary nanilika an’ny ASI seta 3-0 ihany koa. Ny alahady maraina izao eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano no hanaovana ireo famaranana telo ireo ka hanokatra ny fotoana ny an’ny D2, harahin’ny an’ny D1 vehivavy ary hamarana ny fotoana ny an’ny lehilahy. Hanelanelana ireo lalao telo ireo ny fihaonana eo amin’ny ekipa voafantin’Analamanga sokajy minime zazavavy sy zazalahy.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT