Mahoraka be ao Antsirabe ao amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny maripana tsy tahaka ny mahazatra ny rano ao amin’ny tobin-dranomafana na ny “station thermale”, ao Andranomafana.
Mahoraka be ao Antsirabe ao amin’izao fotoana izao ny fiakaran’ny maripana tsy tahaka ny mahazatra ny rano ao amin’ny tobin-dranomafana na ny “station thermale”, ao Andranomafana. Tsy fantatra aloha hatreto izay anton’ny fiakaran’ny hafanana na noho ny hafanan’ny toetr’andro na koa tsy fahampian’ny rotsak’orana fa vokatr’io dia manahy mafy amin’ny mety hipoahan’ireo tendrombohitra volkanika ao an-toerana ireo mponina manodidina. Tendrombohitra miisa telo no ahiana hipoaka. Araka ny fitantaran’ireo mponina sy zanatany nampita ny vaovao, dia ny ao Itavo izay niteraka ny farihy volkanikan’i Tritriva, ny tendrombohitr’Iavoko izay nahatonga ny farihin’i Tatamarina ary ny tendrombohitra ao Andraikiba. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany dia efa misy amin’ireo mponina no miezaka mitady toerana manalavitra ireo tendrombohitra ireo. Anisan’ireo toerana ahiana hiantraikan’ny fipoahana ny ao Betafo sy ny ao Belazao ary ny ao an-tampon-tanànan’Antsirabe.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.