Actualités

Volavolan-dalana momba ny serasera Tsy mbola misinda ny ahiahy


  • Alakamisy 09 Aprily 2015

Tsy nahafa-po ny mpanao gazety tonga teny amin’ny hotely Panorama Andrainarivo omaly ny endrik’ilay sampandraharaha mpanara-maso ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety.

 

 Nifanarahana ary fa hampiana solontena iray ny avy amin’ny mpanao gazety an-tsoratra, hampiana iray ny avy amin’ny firaisamonim-pirenena. Lasa 17 izany ireo mpikambana raha 15 teo aloha. Manoloana ny  ahiahy ny amin’ny fisian’ny solontenam-panjakana ao anatin’ity rafitra ity dia nanome toky  i  Guy Laurent Ramanakamonjy  tale jeneralin’ny serasera fa tsy hitsabaka na hanao tsindry ny solontenam-panjakana ao satria maro an’isa lavitra ny teknisianina sy matihanina ao anatin’ilay rafitra.

Tsy migadra intsony

Taorian’ny atrikasa tany Antsirabe sy Mahajanga dia nentina teto Antananarivo mba hiadian-kevitra farany sy  ankatoavina ilay volavolan-dalàna momba ny serasera izay ahitana andininy 206 ka hifehy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’ny endriny rehetra sy ny asan-tserasera rehetra eto Madagasikara. Mbola alefa hodinihan’ny filankevitry ny minisitra mialoha ny handalovany eny amin’ny antenimieram-pirenena izy ity. Anisan’ny misongadina ao raha ny asa fanaovan-gazety no resahana ny fanafoanana ny fanagadrana mpanao gazety noho ny vaovao navoakany. Nosoloina lamandy 500 000 ka hatramin’ny 6 000 000 Ar kosa izany. Voatondro fa azo hanasaziana mpanao gazety ny famoahana vaovao tsy marim-pototra, fanalam-baraka, fihantsiana, famoahana sarina zaza tsy ampy taona kanefa tsy nahazoana alalana avy amin’ny ray aman-dreniny. Nambaran’ireo mpahay lalàna koa anefa fa azo saziana tahaka ny olom-pirenena tsotra rehefa mandika ny lalàna ny mpanao gazety ka ampiharina aminy ny fehezan-dalàna famaizana manankery eto amintsika. Na eo aza moa ny lalàna sy ny fitsipika dia manana andraikitra goavana ny mpanao gazety tsirairay amin’ny fanajana ilay soatoavina mifehy ny asa fanaovan-gazety. An-kilan’izay anefa dia adidin’ny fanjakana ny manaja ny zo hikaroka vaovao sy haneho hevitra raha tany demokratika marina i Madagasikara  fa tsy sanatria fitaovana natao hifehezana an-kolaka ny asa fanaovan-gazety ity volavolan-dalàna izay mbola miteraka adihevitra be ity.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT