RANAIVO Herinantsoina
Tokony hisy hiantraika any amin’ny vilanin’ny vahoaka ny tetibola ana miliara tapahan’ny depiote ety amin’ny fivoriana atao ety.
Tsy misakana ny adihevitra sy fandaniana lalàna atolotra izahay fa na ny karamanay depiote aza dia voafaritr’ity tetibola ity fa tokony mba rehefa tsy mifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka dia lavina na ahitsy fa tsy hisy hanangatsanga-tanana ho azy eo fotsiny. Hafa indray moa ilay LFR teo satria ny firenena tsy maintsy mandroso.
Ratefiarivony Jaona
« Manoloana ny volavola tetibolam-panjakana 2016 dia heverinay solombavambahoakan’i Madagasikara ho zava-dehibe ny hoe : inona no miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ? Tianay hotsipihana hoe manao ahoana ny karaman’ny mpiasam-panjakana 2016 fa tena anisan’ny mampimenomenona mpiasa io ? Eo koa ny hoe manahoana ilay fampandrosoana ifotony fa misy distrika mahazo tombony noho ny hafa ? Rehefa mijery ao anatin’ilay boky isika dia mahita fa misy hatrany amin’ny 100 miliara ariary ny eo amin’ny minisitra miandraikitra ny tetikasan’ny filoham-pirenena ; dia misy manana 200 miliara Ariary ka efa misy vola betsaka ireo tokony mba hampifandanjana fa any amin’ny minisitera sasany tena ambany dia ambany zara raha misy ka mandringa ilay fampandrosoana an’i Madagasikara”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.