Actualités

Volamena tratra teny Ivato 18 kg mitentina 2,250 miliara Ar


  • Alatsinainy 23 Janoary 2017

Volamena saika haondrana an-tsokosoko milanja 18 kg mitentina 2,250 miliara ariary no tratran’ny mpiasan’ny fadintseranana teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ny sabotsy lasa teo tamin’ny 2 ora maraina.

Volamena saika haondrana an-tsokosoko milanja 18 kg  mitentina 2,250 miliara ariary no tratran’ny mpiasan’ny fadintseranana teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ny sabotsy lasa teo tamin’ny 2 ora maraina. Mpivady izay teratany malagasy ilay vehivavy ary syrianina kosa ilay lehilahy no nitondra ilay izy. Tao anaty entana entin-tanana (bagage a main) no nasian’izy ireo ny volamena. Efa afaka ny fitsirihana rehetra izy mivady saingy rehefa tao amin’ny efitrano fiondranana kosa dia nahatsikaritra ny mpiasan’ny fadintseranana sy ny mpitandro ny filaminana fa tsy mahatombin-tsiraka sy mahamahana izany izy mivady. Nantsoina izy ireo ka natao ny fisavana dia sarona teo ny volamena. Milaza fa mpandraharaha amin’ny resaka volamena any amin’ny tapany avaratry ny nosy iny izy mivady ireto ary nikasa hitondra ny entana any ivelany, any Dubai moa no fantatra fa saika hanondranana ireto volamena 18 kg ireto. Nogiazan’ny fanjakana ary napetraka avy hatrany ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny volamena tahaka ireo volamena rehetra nokasaina naondrana an-tsokosoko teo aloha. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana kosa mba hatao famotorana ireo mpivady nanao ny trafika. 2 taonina isan-taona ny volamena mivoaka an-tsokosoko eto Madagasikara, araka ny tombantombana, 34 kg kosa no tratra teny Ivato tamin’ny taona 2016. Ireo teratany vahiny, indrindra fa ny Karana no tena mpanao ny trafika. Efa mazava fa misy tambajotra mpanao trafikana volamena eto Madagasikara ka mila hanaovana fanadihadiana tena lalina fa tsy ireo olona tratra mitondra ny entana eny Ivato fotsiny no samborina sy gadraina. Malaza fa misy ny olona ambony ao ambadiky ny resaka trafikana volamena fa mpitondra entana sy irakiraka fotsiny ihany ireny tratra eny Ivato ireny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT