Actualités

Volam-panjakana Ny ampaharivon’ny fandaniana no miditra amin’ny kitapom-bola


  • Alatsinainy 10 Mey 2010

Araka ny tarehimarika dia maherin’ny 80 tapitrisa dolara ny fandanian’ny HAT raha 75 000 dolara monja ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana isam-bolana.

Ny ampaharivon’ny vola lany izany no miditra, hany ka mampanontany tena ny rehetra ny fomba hamenoana ny banga goavana be eo anivon’izay kitapom-bolam-panjakana izay. Ao anatin’izany fandaniana izany ny karama sy ny fisotroan-dronono, ny trosa ivelany, ny fandaniana anaty, ny vola alefa any amin’ireo masoivoho sy ny maro hafa tsy voatanisa. Sarotra ny fandidiana, hoy ny fitenenana satria roa ihany no alaolana, saingy tsy maintsy misy ilay atao hoe ‘tsininy’ raha izay no azo ilazana azy. Eo ohatra ny famerana ny fandoavana ireo trosan’ny fanjakana, kanefa tsy hanaiky mora izany ireo mpanan-trosa, na hiverina amin’ireo mpamatsy vola aza. Ity vahaolana mety haharitra ity anefa dia mitaky fandavan-tena sy fanetren-tena avy amin’ireo milaza azy ho mpitondra. Tokana ihany manko ny lalana hiverenan’ny famatsiam-bola. Raha ny filazan’ireo mpamatsy vola dia ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba no zava-dehibe, izany hoe fiaraha-mitantan’ireo ankolafin-kery 4 sy ireo firehana hafa, tsy anavahana na iza na iza ary eo koa ny fanafoanan-tsazy isan-tsokajiny. Hatreto anefa aloha, dia mbola sarotra ny lalana. Amin’izao dia mikenona hanao fifidianana ny HAT, any amin’ny 18 tapitrisa dolara any ho any no ilaina ho fanatontosana izany. Tsy mbola hay anefa hatramin’izao hoe aiza ny loharanom-bola hahazoana izany, raha handeha amin’io heviny manokana io ny HAT. 

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT