Actualités

Volabe miparitaka Tsy re feo mihitsy ny Bianco ?


  • Alarobia 10 Jona 2015

Samy nanambara na ny filoham-pirenena na ireo solombavambahoakan’i Madagasikara taorian’ny fitoriana fiampangana ny filohan’ny Repoblika napetraky ny Antenimieram-pirenena ho nandika ny Lalàmpanorenana fa mamofompofona

 

kolikoly ny ao ambadiky ny fifanolanana eo amin’ireo andrim-panjakana roa ireo. Tsy nijanona teo ny fifanandrinana teo amin’ireo fahefana roa mpanao lalàna sy mpanatanteraka fa nangatahan’ireo depiote, ohatra, ny tokony hanaovana fanadihadiana mikasika ireo lazaina ho vola am-polony miliara ariary navoaka tao amin’ny Banky foibe tamin’iny herinandro nivalona iny. Dia io fa mitranga indray koa ny fahatraran’ny mpitandro filaminana vola 200 tapitrisa ariary tao anatin’ny fiaran’ny mpikambana solombavambahoaka eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mandeha moa ny feo fa ampaham-bola saika hanambantambazana ireo depiote hanamafisana ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra sy ny governemanta io saron’ny mpitandro ny filaminana io. Milaza kosa anefa ny vondrona Mapar fa fanonerana ireo kandida namoaka vola am-paosy hiatrehana ny fifidianana kaominaly izao izy io. Toa tsy re feo mihitsy kosa anefa ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly, hoy ny maresaka eny anivon’ny fiaraha-monina ?

Nangonin-dRamano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT