Maro ireo mpandraharaha, lehibena orinasa, mpitondra teo aloha, mpanao politika, tompon’andraiki-panjakana ambony eto Madagasikara no misafidy ny hitahiry ny volany amin’ny banky any ivelany.
Tsy eto ihany moa no misy an’izay fa efa fahita amina firenena maro, ary iaraha-mahita ireny tranga mahavoatonontonona olo-malaza, mpihira, mpilalao sarimihetsika, mpanao fanatanjahantena malaza, eny hatramin’ny mpitondra fanjakana sy mpanao politika vahiny voarohirohy amin’ny fitsoahana fandoavan-ketra ao amin’ny fireneny ka mitahiry ny volabeny any amina firenen-kafa. Ny nanaitra kosa anefa, araka ny vaovao manomboka mivoaka tato anatin’ny roa herinandro izao, dia ny totalin’ilay volabe ana teratany Malagasy mipirina any ivelany. Raha io angom-baovao natao io dia any Frantsa no misy azy ary teratany karàna mitondra ny anarana hoe Z.H izay matetika hita any Toulouse any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Frantsa no mikirakira ireo volaben’ireto Malagasy mpanefoefo ireto. Araka ny resaka re taorian’ny angom-baovao natao dia manodidina ny 1,6 miliara Euros na 6 032 miliara ariary izy io. Tamin’ity taona 2017 ity, dia 4008 miliara ariary ny tetibolan’ny fitondram-panjakana Malagasy, izany hoe mbola misy ambiny 2024 miliara ariary izany raha raisina io vola be io. Olona 5 hatreto no tompon’io volabe tsara pirina any Frantsa io, misy mpandraharaha sy mpitondra ambony teo aloha, ary misy olona mbola mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Tsy misy heloka amin’ny fampirimana vola any amina banky any ivelany, saingy tokony hazava tsara ny loharanon’ilay vola be ary adidin’ny fitondrana Malagasy ny manadihady momba izany. Ny manampahefana eto amintsika rahateo tsy maintsy manao fanambaram-pananana avokoa tamin’izy ireo niditra amina andraikitra na toerana iray ka rariny sy hitsiny raha jerena indray mandeha indray ny tombam-pananany eto an-toerana sy any ivelany rehefa niala teo amin’ny toerany izy. Mateti-pitranga aty Afrika mantsy ny fanangonan-karena amin’ny tsy rariny sy ny fanodinkodinana volam-panjakana tsotra izao, ka izany no ilana fanadihadiana mba hamantarana ny tena marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.