Tsikaritra tato ho ato ny fahamaroan’ny vola ratsy mivezivezy eny an-tsena, eny amin’ny Taksibe ary hatreny amin’ny ireny Banky ireny.
Asa aloha na misy ifandraisana amin’ny toe-draharaha ara-politika mafanafana izao zava-misy izao ka variana amin’ny zavatra hafa ny tompon’andraikitra. Tsiahivina mantsy fa rehefa tena ratsy ireny vola ireny dia tsy tokony hanaovana fanakalozana intsony. Adidin’ny Banky Foibe ary misy ny sampandraharaha manokana mijery ireny vola ratsy sy simba ireny. Aorian’izay dia ity farany no manapa-kevitra ny amin’ny tokony mbola ahafahana ivezivezen’ny vola na tsia.
Maro ny velon-taraina ary tsy vitsy ireo mamerim-bola noho ny fisian’ny vola ratsy sy tapaka any anatin’ireny vola taratasy mandeha tsifolofolo eny amin’ny Banky ireny. Nanambara ny tompon’andraikitra iray teny fa ireo olona maka vola be kanefa tsy manam-potoana hanamarinana tsirairay ny vola no tena lasibatra. Matetika aloha dia miverina hatrany ny sendran’ny izany tranga izany ary tato ato dia tena maro izany araka ny tatitra re. Sady mandany fotoana na ho an’ny mpanjifa na ho an’ny mpiasan’ny Banky izany ka tokony handraisan’andraikitra haingana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.