Tsy nety nilaza ny tena vidin’ilay fiaramanidina vaovao ATR 72-600 omaly ny tale jeneralin’ny Air Madagascar Haja Raelison raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, fa nilaza fotsiny hoe: tsy dia zava-dehibe ny vidiny fa rehefa azontsika fotsiny ilay izy dia izay.Nambara ihany koa fa hoe tsy nisy volan’ny fitondram-panjakana
Malagasy mihitsy niala na ariary azy tamin’ny nividianana ity fiaramanidina ity fa efa misy ny fifanarahana amin’ny banky sy ireo miara-miasa amintsika.Mampametra-panontaiana ny maro ihany ity resaka ity satria nilokaloka ny hampiseho mangarahara tanteraka amin’ny fitantanana ny firenena i Hery Rajaonarimampianina vantany vao nahazo fahefana;inona no olana amin’ny fanambarana mazava tsara hoe vola avy aiza no nividianana io fiaramanidina io, nisy nanome fotsiny ve sa vola nindramina sa vola natakalo zavatra hafa ? Dia ahoana koa izany ny momba ireo fiaramanidina ATR miisa 6 hafa izay mbola ho vidian’ny Airmad miampy ilay boeing 737 ? Vidiana amin’ny vola avy amin’ny malala-tanana ve sa fanomezana nilatsaka avy any an-danitra ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.