Tapitra hatreo ny fiaraha-miasan’ny Vokovokomena Malagasy sy ny vokovokomena Norveziana. Niala tsy hanampy iretsy voalohany intsony mantsy ireto farany, raha araka ny fantatra .
Noho ny filazana fa nisy fanodinkodinam-bola manodidina 100 tapitrisa Euros tao amin’ny Vokovoko Mena Malagasy no anton’izany izay nambaran-dRandriananja Claude, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Vokovokomena Malagasy fa tsy mbola fantany hatreto ny fisian’izany no sady tsy misy porofo. Tsy misy fiantraikany amin’ny fampandehanan-draharaha eto amin’ny Vokovokomena Malagasy rahateo ny fisian’izany hoy hatrany Randriananja Claude satria ny tetikasa izay novatsian’ny Vokovomena Norveziana dia efa tapitra. Efa nandefa taratasy tany amin’ny Vokovokomena Norveziana moa izy ireo entina hanaporofoana ny tsy fisian’izany fanodikodinam-bola izany saingy mbola tsy nivaly izany hatramin’ny omaly nanatanterahin’izy ireo tafa ho an’ny mpanao gazety. Nomarihin-dRandriananja Claude moa fa misy hatrany ny fanaraha-maso hataon’ireo mpamatsy vola azy ireo avy any ivelany mikasika ny asa vitany hatramin’izay. Isaky ny telo no hanatontosan’izy ireo izany hoy izy ary tsy mivoaka ny andiany manaraka raha tsy hita mazava sy ara-dalana ny teo aloha. Vao haingana hoy izy dia nahemotra ho enim-bolana izany, entina hanaporofoana fa mazava sy marina ny asa hampiasain’ny fikambanan’ny Vokovomena Malagasy ireo famatsiam-bola rehetra azony
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.