Actualités

Vokatry ny orinasa TIKO AAA Manomboka mitobaka ao Antsirabe


  • Alatsinainy 02 Janoary 2017

Raha Antananarivo no nitobahan’ny entana novokarin’ny Orinasa AAA Tiko teo am-bolohany dia efa manomboka azo jifaina sy mitobaka any Antsirabe ihany koa izany izao, indrindra fa nialoha ny fetin’ny faran’ny taona iny.


  Nitana ny teny nomeny tokoa ny filoha mpanorina ity orinasa ity satria efa nambarany fa hanomboka hiparitaka ny vokatra mialoha ny faran’ny taona ka dia tanteraka izany. Raha ny andron’ny faran’ny taona moa dia tonga tao Antsirabe ihany koa ny rano Olympiko sy ny Glasy Iko. Ny tranombarotra HT Trader  eo amin’ny manodidina ny Gara moa no mambokady sy mitsinjara izany aloha hatreto satria vao an-dalam-panarenana tsikelikely ny Magro izay kila forehitra tamin’ny taona 2009 iny. Nambaran-dRtoa Ramaholimanana Mariane Panoëlle, tompon’andraikitry ny tranombarotra moa fa tsy ny vokatra Tiko ihany no aparitak’izy ireo fa ny vokatra vita Malagasy rehetra toy ny an’ny Star sy ny Socolait ary ny an’ireo orinasa Malagasy rehetra, izay manomboka azo jifaina tsikelikely ihany koa toy ny an’ny JB sy ny Socobis izany.  Raha ny hita moa dia mbola tsy tena mahasahana ny filàn’ny olona ny vokatra noho ny tsy mbola faharahan’ny orinasa mpamokatra miaina tsara, na izany aza dia izay
teo no nifandrombahan’ny olona rehetra.


Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT