Actualités

Vokatry ny famoizam-po Tovolahy 23 taona maty nananton-tena


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Tovolahy iray 23 taona no hita faty nihantona tamin'ny tady teo amin'ny “cerceau” an’ny kianja filalaovana basikety ao amin’ny Sekoly Ziona Vaovao Mahajanga ny talata 17 aprily tokony ho tamin'ny valo ora alina. Nisy taratasy niraikitra tamin’ny tepan’ny patalohany, izay nisy soratra hoe :

 "Je suis innocent et je préfère mourir", izay raha adika tsotsotra amin’ny teny Malagasy dia hoe : « Tsy manan-tsiny aho, aleoko maty ». Raha ny resaka nandeha kosa, dia olana ara-pianakaviana no nanosika azy hamono tena. Fianakaviana no ipetrahany, satria efa nisaraka ireo ray aman-dreny niteraka azy. Raha ny fanampim-baovao, dia tsy vao sambany, fa efa nisy ny fikasany hamono tena tamin'ny alalan'ny fihinanana fanafody vao tsy ela akory izay, saingy hitan'ireo namany izany ary ireto farany no nanakana azy. Raha ny fanehoan-kevitry ny mpitsabo eo anivon’ny BMHS, izay nanao fizahana ny razana, dia tokony  raha vao manana fikasana na manandrana mamono tena ny olona iray no efa tokony hisy fandraisana an-tanana sy fitsaboana atao azy, mba tsy hiafara amin'ny zavatra tahaka izao. Efa maro rahateo ireo mpitsabo manana fahaizana manokana ny amin'izany ary azo tsaboina tsara, toy ny aretina rehetra ny fikorontanan-tsaina lalovan'ilay marary izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT