Actualités

Vokatry ny fahasahiranana Mitombo isa ny olona mihinana fako


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Mitombo isa hatrany amin’izao ireo olona mitsindroka sakafo eny amin’ny daban-jaoridira eto an-drenivohitra.

 

 Hatramin’ny nampiakatra ny vidim-bary  teny an-tsena no tena nampitombo be azy ireo raha araka ny fanadihadiana natao. Anisan’izany ny etsy Anosy, misy ny toby fiantsonan’ny taksibe mihazo an’Ambatofotsy. Am-polony ireo fianakaviana sahirana miandry ireo fako harian’olona eny an-toerana isan’andro. Raha ny fanazavan’ireo olona sasany sendra anay, tsy maharaka ny fividianana vary manta intsony ny vola azon’izy ireo  isan’andro ka aleony mitsindroka. Na izany aza anefa dia nambaran’izy ireo fa tsy isan’andro ihany koa no mety ahitana vary azo hanina eo amin’ity daban-jaoridira iray  ity  noho ny hamaroan’ireo fianakaviana sahirana mifandrombaka izany. Marihina moa fa efa manafosafo ny 2.000 Ar ny iray kilao amin’ny fotsimbary amin’izao eny an-tsena raha 500 Ar ny iray kapoaka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT