Mbola nanana tahiry na ambimbava maharitra 3 volana ao amin’ny magazay fitehirizam-bokany ao Andranomanelatra ny orinasa AAA izay mamokatra ny vokatra Tiko amin’izao fotoana, raha ny fanazavan’ny mpisolovava misahana ny raharaha.
Na dia nisy aza ny fanakatonana ireo vavahady fidirana ao amin’ny orinasa nataon’ny Emmoreg ny 12 oktobra teo dia manana vavahady 1 hafa afaka misokatra avy any ambadika ahafahana mikarakara ireo biby fiompy ireo mpiasan’ny orinasa, raha ny fanazavana hatrany. Raha tsiahivina moa dia mbola nisy bemidina nataon’ny Emmoreg indray tao Andranomanelatra ny 13 desambra teo taorian’ny fankalazana ny faha-68 taonan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, teny amin’ny Magro Tanjombato ny 12 desambra teo. Resaka fahitana Olympiko 30 tavoahangy sy yaourt 10 boaty teo ambonin’ny masinina, hoy ny fanazavana, no nilan’ireo nitsirika vaniny nentina nilazana fa mbola mamokatra ihany ny orinasa ka nidin’izy ireo tanteraka ny orinasa iray manontolo. An’arivony, hoy ity mpisolovava ity, no atao hoe vokatra farafahakeliny, ao anatin’itony orinasa goavana itony fa tsy resaka am-polony toy io. Tsy handray fepetra ivelan’ny lalàna izahay, hoy izy, fa mbola mangataka hatrany ny hanakatonana ihany koa ireo orinasa 5 hafa lazaina ho tsy manaja tontolo iainana toa anay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.