Noho ny tsindry hazo lena atao amin’ny mpitatitra dia nanapa-kevitra ny hitokona izy ireo. Ny fikambanan’ny mpitatitra vokatra miasa any Ambatondrazaka mihitsy no mitarika ity fitokonana ity.
Nabahan’izy ireo ao Vohidiala avokoa ny fiara tokony hitatitra any an-toerana, indrindra ny kamio. Araka ny vaovao avy any an-toerana, an-jatony maro ireo fiara no mibahana ny lalana ka tapaka tanteraka ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka.
Tapa-kevitra izy ireo fa tsy hiato ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakian’izy ireo. Ny anton’ny fitokonana dia voalazan’ireo mpitatitra fa tsy havela mitondra «docker» izy ireo rehefa maka vary. « Iza ary no hibata entana ?”, hoy izy ireo. Ankoatra izay dia nafindra toerana any Ambatondrazaka ao amin’ny biraon’ny Faritra Alaotra Mangoro ny fandoavana ny tamberim-bidy raha tao Vohidiala sady misy ny fandanjana rahateo no fandoavana izany hatramin’izay. Lasa fahasahiranana tsy ho an’ny mpitatitra ihany fa ho an’ny mpanangom-bokatra ity fanovana nataon’ny Faritra ity. 20 Ar isaky ny kilao no tamberim-bidy aloa, ka ny 15 miverina any amin’ny Kaominina nivoahan’ny vary, ary ny 5Ar anjaran’ny Faritra.
Re anefa fa mihevitra ny hampakatra io sarany io ny Faritra hampitomboany ny fidiram-bolany. Voalazan’ny mpitatitra ihany koa fa tsy mahazo mandeha amin’ny alina izy ireo ankoatra ny fitakiam-bola izay ataon’ireo izay mba manampahefana kely any an-toerana amin’ireo kamio. Nisy ihany ny fifampidinihana omaly saingy mahatsiaro ho napetrapetraka ny mpitatitra ka dia izao nanapa-kevitra ny hanapaka ny lalam-pirenena faha-44 izao izy ireo. Tsy afa-nandeha hatramin’ny fiara mpitatitra olona fa nihitsoka tanteraka ny lalana. Teny ihany ny zandary saingy nisintaka tsimoramora nanoloana ny hamaroan’ny mpitatitra sady efa nanomboka niakatra koa ny feo nony hariva ny andro.
Ny ahiana amin’ity resaka ity dia holazaina indray atsy ho atsy fa misy ambadika politika izao hetsika madiodio ataon’ny mpitatitra izao. Hita izany izao fa efa mihatra aman’aina mihitsy ny zava-misy eto amin’ny firenena.
Fa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.