Mampieritreritra ny tenin-dRamatoa Fatma Samoura solontena maharitry ny PNUD eto amintsika raha nilaza izy fa latsaka 3 heny amin’ny azon’i Malawi, latsaka 5 heny amin’ny azon’i Senegal ary latsaka 6 heny be izao amin’ny azon’i Mozambika ny fanampiana azon’i Madagasikara avy amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka avy any ivelany, kanefa mitovy amintsika ny tahan’ny fampandrosoana ny maha olona any amin’ireo firenena 3 ireo.
Izany hoe latsaka ambany dia ambany noho ny any amin’ireo firenena ireo izany ny fahafahan’i Madagasikara miady amin’ny fahantrana raha tena fintinina ny resaka. Kely ny famatsiam-bola azo satria tsy mahatoky ny mpitondra eto sy ny rafitra misy ny mpamatsy vola, ary tena mbola maro ny ezaka mila ataon’ny fitondram-panjakana. Hatreto anefa dia tena mbola mila famatsiam-bola avy any ivelany aloha i Madagasikara. Mety hahavita tena ihany isika any aoriana any, fa ny ankehitriny aloha dia mbola miankin-doha isika. Izay eo ihany fa ny tena manahiran-tsaina amin’ity resaka ity dia i Madagasikara no firenena Afrikanina anisan’ny tena nitobahan’ny famatsiam-ola mialoha ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, saingy efa nosongonan’ireo firenena afrikanina maro isika ankehitriny noho ny korontana nisy teto. Mitranga amin’izay izao ny tena voka-dratsin’ilay fanonganam-panjakana sy tetezamita ary tena tokony hampieritreritra ny rehetra fa vidiana lafo dia lafo ny tsy fahaizana mifandamina ary tsy maintsy fahoriana sy fahantrana no vokatry ny fampiasan-kery maka fahefana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.