Actualités

Voasaringotra amina vonoan’olona Mirehareha ho tsy azo samborina ilay olon’ny HVM


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Maty nisy namono ny 6 janoary 2017 ny lehiben’ny fandriampahalemana na kalôny tao amin’ny kaominin’i Mandabe distrika ny Mahabo, Razakandrainy na Ndrainy.

 Voalaza fa vono olona niniana natao izy ity, ka efa voasambotra ny telo tamin’ireo nahavanon-doza ary nampidirina am-ponja vonjimaika ao Morondava ny 24 febroary 2017, taorian’ny fanolorana azy ireo ny Fampanoavana. Mbola misy naman’izy ireo karohina.Misy olom-boafidy ao Mandabe voatononaamin’ity vono olona ity, Milaza azy fa olon’ny HVM izy ka tsy ho azo samborina hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tsy manaiky hosoka anefa ny ao amin’ny Fitsarana ka amin’ny 9 martsa izao no hanaovana ny fanadihadiana lalina ity raharaha ity koa manantena ny fandraisan’andraikitr’ireo tomponandraikitra mahefa sy ny fampiharana ny lalàna ary ny fampanjakana ny marina, ny fianakavian’ny maty.

Jean D.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT