Actualités

Voarohirohy ho nanodinkodim-bola Any am-ponja ny Chef Cisco Vatomandry


  • Talata 17 Aogositra 2010

Fanadiovana sa valifaty eo amin’ny samy mpiasan’ny fampianarana ao Vatomadry ? Miandry fitsarana ao amin’ny fonjan’i Vatomandry nanomboka ny zoma 13 aogositra teo ny lehiben’ny Cisco any an-toerana noho ny raharaha fanodinkodinam-bola nanenjehan’ny Bianco azy teo anivon’ny “Chaîne Pénale” any an-toerana ihany.

Araka ny fantatra tamin’ny vaovao nangonina tany Vatomandry, dia misy mpiasa eo anivon’ny Cisco sy ny mpampianatra ary mpandraharaha any an-toerana, nitory ity lehibeny ity fa misy vola eo anivon’ny Cisco tokony ho an’ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha ary hanaovana asa tany Vatomandry, no nahodin’ity lehiben’izy ireo ity. Efa hatrany amin’ny fiandohan’ny taona 2010 no nanomboka ny disadisa rehetra, izay tarazo navelan’ny fihetsiketsehana teto amintsika ny taona 2009, ka nanalana izay heverina fa mifanakaiky sy mifaningotra tamin’ny mpitondra teo aloha rehetra ny fanendrena azy. Nitatra anefa ny raharaha ka izao tonga amin’ny fitoriana etsy sy eroa, ka tonga hatreny amin’ny Bianco izao ny farany. Tsy nisalasala ireto farany nanao ny fanadihadiana ka raha ny hitany dia nisy ity fanodinkodinam-bola ity, izay angamba no nitarika ny famonjana mialoha ny fitsarana ity lehiben’ny Cisco Vatomandry ity. Miaro tena mafy anefa ity farany, satria aminy dia nazava avokoa ny fampiasana ny vola teo am-pelatanany, iaraha-mahalala rahateo amin’izao fitondrana tetezamita izao, fa tsy misy ny vola enti-miasa sy manodina ny asam-panjakana, izao indray mbola miditra amin’ny resaka fitsitsiana.

Raha ny vaovao azo anefa izao, dia mety ny faran’ny volana aogositra izao no hiroso ny fitsarana ity raharaha ity, fa miandry ny fanadihadiana lalina izay tsy ho ela intsony dia hivoaka ny datin’ny fitsarana ny raharaha.
 
Rakoutou – Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT