Actualités

Voarara ny fanondranana Hasiana “puce électronique” ny omby


  • Sabotsy 01 Jolay 2017

Nihena ny isan’ny omby eto amintsika ankehitriny. Toe-javatra mahatonga azy io ny firongatry ny halatra omby.

 Entam-barotra mantsy ny omby ary misy tsindry amin’ny tsena. Eto Antananarivo manokana, dia farafahakeliny 400 isan’andro no vonoina eto, hoy i Rivo Rakotovao, minisitry ny fambolena sy ny fiompiana. Ahitana taratra ny tsy fahampian’ny tolotra ny famonoana ombivavy sy zanak’omby, izay hamafisina fa mbola lalàna velona ny fandrarana azy ireny, hoy izy. Voarara  ihany koa ny fanondranana omby mankany ivelany na omby velona io na efa hena. Noresahin’ny minisitra koa ny fametrahana “Puce électronique” hatao amin’ny omby eto Madagasikara. Ahafahana mamantatra ny toerana misy ny omby sy manara-maso azy ny fampiasana io fitaovana io. Misy ny faritra hatao filamatra amin’ny fanatanterahana azy ary 250 000 ireo “puce” hapetaka. Tsy dia sarotra loatra ny fampiasana azy fa tsy araka ny ahiahin’ny besinimaro. Isika mantsy efa manana tambajotram-pifandraisana matanjaka ihany. Amin’ity taona ity no mety hanatanterahana ny tetikasa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT