Actualités

Voan-dalan’ny filoha Fiakaran’ny vidin’ny gazoala


  • Alakamisy 26 Novambra 2015

Niova ny alin’ny talata ny vidin-tsolika teny amin’ireo toby mpitsinjara efatra misy eto

 

. Niakatra 20 Ariary isaky ny litatra ny vidin’ny gazoala, ka lasa 3170 Ariary ankehitriny raha nahitana fihenany 30 Ariary isaky ny litatra ny lasantsy sy ny solika fandrehitra, ka lasa 3700 Ariary, 2380 Ariary avy. Nifanotona tamin’ny fiverenan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina an-tanindrazana rehefa nivezivezy nitady vola fanampiana ho an’i Madagasikara tany Eoropa tany nandritra ny herinandro mahery. Io izany no voan-dalana nentiny, nihatra avy hatrany. Fiovana somary manaitra ny mpanjifa ihany, satria amin’ny fotoana mbola tena maha ambany dia ambany ny vidin’ny solika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy amin’ny vanim-potoana mba mampahazo aina kely ny vola Ariary no mampiakatra ny vidin’ny gazoala. Ny gazoala izay solika tena be mpanjifa tokoa noho izy ampiasain’ny mpitatitra entana sy fiara mpitatitra olona. Efa nifamorivory ireo lohandohany amin’ny mpitatitra omaly teo anatrehan’ity fisondrotana ity, ka ho hita eo ny tohiny.


Jean D.

Ragasy : Dia ny vahoaka maro an’isa mpanjifa ihany izany no hifatraran’ny rihitra eto ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT