Actualités

Voamboana : kaontenera an-jatony no efa niainga tao Mahajanga


  • Zoma 05 Novambra 2010

Tsy ny andramena na ny bois de rose ihany no lasibatra eto amintsika amin’izao fotoana izao fa izay mety ho harena voajanahary rehetra. Fantatra manko fa dia ripaka koa izao ny voamboana any Sofia, Boeny, Melaky ary Menabe.

Araka ny vaovao dia kaontenera an-jatony no efa lasa avy tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Araka ny vaovao ihany dia mbola hisy kaontenera hafa hiainga. Raha nanontaniana momba izany anefa ireo tomponandraikitra dia samy niala bala avokoa. Vao tsy ela akory anefa izay, fa tamin’iny faramparan’ny volana Oktobra iny dia anisan’ireo lahadinika manokana natao tany Aichi- Nagoya Japon, nandritry ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny zavaboary, ny raharaha hazo sarobidy eto Madagasikara. Karazana lakolosy fanairana no nataon’ny sehatra iraisam-pirenena efa herintaona mahery izao. Ny Global Witness sy ny Environmental Investigation Agency na ny EIA moa dia efa nanipika fa misy amin’ireo mpitondra no miray tsikombakomba ao anatin’ity raharaha fanondranana hazo sarobidy ity ary manamora ny fitrandrahana ny fihetsik’ireo mpiasam-panjakana sasany sy ny tsy fampiharana ny lalàna velona eto amintsika. Tsy mahagaga raha toa ka tsy rototra amin’ny tranga misy dia ny faharipahan’ny ala, indrindra ireo hazo sarobidy ny eto amintsika fa ny vahiny, ny sehatra iraisam-pirenena no dodona sy raiki-tahotra manoloana ny zava-misy aty Madagasikara. 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT