Actualités

Voamaina Nahitana fiakarana 300 Ar isan-kilao ny vidiny


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Ankoatra ny vidim-bary izay mbola tsy mety midina mihitsy eny amin’ireo mpaninjara madinika, indrindra fa ny vary zana-tany dia anisan’ny mampitaraina fatratra ny mpanjifa ihany koa amin’izao fotoana ny fiakaran’ny vidin’ny voamaina.

 Nahitana fiakarany 300 Ar isaky ny kilao mantsy izany, raha araka ny fanadihadiana natao teny amin’ny tsenan’Anosibe. Raha 3.000 Ar ohatra no nakan’ny mpivarotra ny iray kilao tamin’ny tsaramaso fotsy tamin’ny fotoana mbola tsy nilatsahan’ny ranon’orana dia efa tafakatra 3.300 Ar izany ankehitriny. Toraka izany koa ny kabaro izay efa tafakatra 2.900 Ar ny iray kilao ankehitriny raha 2.600 Ar teo aloha…, hamidy 1.200 Ar ny iray kapoaka ho an’ireo mbola hivarotra. Noho ny haratsian’ny lalana hitaterana ny vokatra moa no voalaza fa antony mahatonga izany raha eo ihany koa ny fahalanian’ny tahiry. Tsiahivina moa fa faritra maro manerana ny Nosy no mamatsy voamaina eto an-drenivohitra toy ny any amin’ny faritra Boeny, Sofia, ny any atsimo…

Patty


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT