Vehivavy iray antsoina hoe Fielina no voalaza fa matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambitsika Mananara Avaratra ny faran’ny herinandro lasa teo.
Ireny mpitsabo amin’ny alalan’ny fomba Malagasy ireny izy io, ary manao ireny fanorana ireny ihany koa raha ny fanazavana. Voalaza ho nanome tambavy nisy mosavy ny zaza anankitelo ny tenany, ka ny roa no maty raha ny fampitam-baovao. Tsy hay aloha izay fahamarinana na fahadisoany na nopoizininy tokoa ireo ankizy na fifanandrifian-javatra ihany ? Manjaka tanteraka ny fitsaram-bahoaka amin’izao fotoana izao, indrindra fa ny any amin’ny faritra, saingy tsy hita aloha izay tena vahaolana maty paika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.