Actualités

Voahosihosy ny tondrozotra Gazety telo no indray hiakatra fitsarana


  • Zoma 09 Novambra 2012

Tompon’andraikitra telo mirahalahy avy amina gazety mpiseho isan’andro no indray voaantso hatao famotorana teny amin’ny zandarimariam-pirenena Betongolo.

 Omaly maraina ny roa, dia i Zo Rakotoseheno Talen’ny famoahana ao amin’ny Midi Madagasikara sy Rocco Rasoanaivo, Talen’ny famoahana ao amin’ny gazety La Nation. Anio kosa ny fahatelo dia i Herivonjy Rajaonah, Talen’ny famoahan’ny Gazetiko. Izany dia taorian’ny fitoriana napetraka mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga. Firaisana tsikombakomba tamin’ny famoahana sy fanapariahana vaovao tsy marina no vesatra hiampangana azy ireo, noho ny fitaterana vaovao miendrika ampamoaka nataon’ny Tangalamena Zakariasy Patrick momba ny trafikana andramena.

Hiakatra eny amin’ny fampanoavana eny amin’ny fitsarana Anosy ny alatsinainy ho avy izao ireto mpanao gazety telo mirahalahy ireto, amin’izay koa no hahafantarana ny tohiny. Miray feo ny rehetra fa tsy voahaja ny andininy faha-17 ao amin’ny tondrozotra milaza ny tokony hanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety amin’izao raharaha izao. Anio moa dia hiatrika ny fanadihadian’ny zandary eny Betongolo koa Atoa Zakariasy Patrick izay nanao ny ampamoaka tamin’ny alalan’ny valandresaka ampahibemaso natrehina mpanao gazety. Nampahafantatra an-gazety fa nitory azy ny orinasa Mainland Mining.

Tamin’ny volana aprily 2012 dia gazety mpiseho isan’andro roa sy onjam-peo tsy miankina iray koa no efa voantso teny amin’ny fampanoavana, noho fitaterana ny zava-nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana tamin’izany fotoana mikasika io resaka andramena io ihany. Miverina indray izany ny tantara eto, iray ihany rahateo ny mpitory. Antenaina fa tena ho sahy hanadihady lalina momba ity raharaha ity amin’izay ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana fa tsy hionona amin’ny fanenjehana mpanao gazety fotsiny. Ny praiminisitra Omer Beriziky moa raha nandalo tao amin’ny kongresin’ny tetezamita farany teo dia efa nilaza ihany fa tsy mahafa-po ny fanadihadiana momba ny andramena ka tokony hatsaraina satria ireo mpiasa madinika foana no voasambotra sy migadra, fa mbola milamin-tsaina tsara any ho any ireo tena atidoha.

TT

ENCADRE

 Namoaka fanambarana ny sendikan’ny mpanao gazety Malagasy omaly maneho ny ahiahiny manoloana ny ramatahora sy ny fandrahonana atao ny mpanao gazety izao. Nanaitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny birao fifandraisan’ny SADC, ny kaomisera ambony momba ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana ary ny masoivohon’i Afrika Atsimo ny sendika manoloana izao, fanohintohinana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, izay mateti-pitranga loatra tato anatin’izao tetezamita izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT