Hafa raha samy vadina filoham-pirenena nifanesy teto amin’ny firenena i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoha ankehitriny.
Nandalo teo ry Céline Ratsiraka, Thèrese Zafy, Lalao Ravalomanana, Mialy Rajoelina, saingy tsy dia nandrenesana resabe firy, fa tena niavaka be mitaha an’ireo kosa i Voahangy Rajaonarimampianina. Tsy sanatria natao hanenjehana na hanaratsiana azy, fa toa tena nalaza ratsy ny tenany. Voalaza ho miditra lalina sy mitsabaka tanteraka amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, indrindra ny fanendrena tompon’andraikitra ambony. Voatonona ho be fandaniana, raha tsy hilaza afatsy ilay resaka fividianana raozy misy sarina mananasy miteti-bidy 7000 Euros nianjaikany ny 26 jiona 2016. Teo ihany koa ny fivoahan’ny resaka fandidiana orona sy tarehy na ilay antsoina hoe “Rhinoplastie” ny fiandohan’ny taona 2017, izay voalaza fa nandaniana vola hatrany amin’ny 1 miliara ariary. Malaza ho tia mivezivezy any ivelany sy manao fiainana tokoa, ary isan’ny nalaza ny ho mitondra valizy maro be mivoaka sy miditra eto, izay tsy fantatra aloha izay ao anatiny. Ny fanaovana asa sosialy mba hanatsarana endrika hatrany ny filoha matetika no anjara asan’ny vadiny, izay ambara ho Renin’ny Malagasy. Toa manao ihany I Voahangy Rajaonarimampianina indraindray, saingy matetika mandefa iraka ambara fa avy amin’ny vadin’ny filoha. Ireo no toa omena baiko hanatsaratsara endrika hatrany azy, ka toy izay ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny. Tsaroan’ny rehetra tsara ilay fananganana tranom-boky teny Antanimbarinandriana, izay nanaovana bodongerona tamin’ny Kaominina Antananarivo, saingy rehefa tonga ny fitokanana dia ilay voalaza fa reny mpiahy aza tsy tonga teo akory. Manome endrika tsara ny filoha sy ny fanjakana ve i Voahangy Rajaonarimampianina sa kosa poizina ho an’ny fitondrana? Ny azo antoka aloha, dia manan-daja lehibe amin’ny fandraisan’ny filoha fanapahan-kevitra momba ny fitantanany ny firenena ny filaminan-tsainy sy ny fiainan-tokantranony satria ny vadiny no hery voalohany sy akaiky azy indrindra. Misy vehivavy manana ny maha izy azy foana ao ambadiky ny lehilahy iray mahavita azy, hoy ny Frantsay izay..dia asa aloha fa ny iarahan’ny rehetra miaiky dia feno mistery Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina ary mahalala zavatra betsaka amin’ny fiainam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.