Actualités

Voafonja eto Madagasikara 250 Ar isan’andro isan’olona no anjara sakafony


  • Talata 14 Febroary 2017

Efa ela ny nahenoana fa mandray fepetra ny mpitondra fanjakana. Ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena hatramin’izao anefa dia miha very fanahy mbola velona ny mpiray tanindrazana.

 

250 Ar isan’andro isan’olona no anjara sakafon’ireo voafonja eto amintsika amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 2 miliara Ar isan-taona ny vola natokan’ny fanjakana Malagasy ho amin’izany ka ny mangahazo tsy misy fangarony no tena foto-tsakafon’izy ireo. Vokany,  manodidina ny 3 %-n’ireo voafonja no efa lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ankehitriny araka ny fanadihadiana nataon’ny komitin’ny Croix rouge iraisam-pirenena. Ny 1,92 %  izay misy voafonja manodidina ny 397 no  tranga hita tamin’ny 30 septambra taona 2016 raha hita tamin’ny 10 desambra lasa teo kosa ny 1,55 % izay ahitana voafonja  miisa 319. Ankoatra izay dia misedra olana mafy amin’ny resaka fotodrafitrasa ihany koa  ireo voafonja. Ho an’ny fonjan’i Tsiafahy, ohatra, voafonja miisa 110 no tokony ho zakany nefa efa mahatratra 931 izy ireo no tazonina ao. Toraka izany koa ny fonjan’i Farafangana izay efa misy voafonja manodidina ny 586 ankehitriny raha 112 no tokony ho zakany… Tsy latsa-danja amin’ireo ny eto Antananarivo izay efa misy voafonja mihoatra ny 3 289 isa  tazonina amina toerana tokony ho ana voafonja miisa 178. Tafakatra 86,87 % ny salanisan’ny fihoaran’ny voafonja eto Antananarivo izay tokony hojerena akaiky. Soa ihany anefa fa eo hatrany ny komitin’ny  Croix rouge iraisam-pirenena  izay nihaona mivantana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro isan-tsokajiny eto amin’ny firenena, omaly. Nisy ny tatitra mikasika ny asa vitany notanterahin’izy ireo, anisan’ireny ny fanomezana ny sakafon’ny voafonja arahin’ny fanaraha-maso ny halavan’izy ireny sy ny lanjany isam-bolana. Eo ihany koa  ny fanodinana hanjary ho biogaz ny maloto  hahafahan’ireo voafonja ao Tsiafahy mahandro ny sakafo haniny,  tetikasa nanomboka ny taona 2016 lasa teo,  ny fitsaboana ireo marary ho fanajana ny zon’olombelona.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT