Potika tsy nisy noraisina ny fitaovan’ny VIVA Fianarantsoa, haino aman-jerin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina
. Raha ny filazan’ny mpiasa tao dia, nisy andian’olona mirongo fiadiana niditra an-keriny tao toy ny mpanafika ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy tokony ho tamin’ny roa ora maraina sady naka ny fitaovana toy ny “émetteur” no namotika sy nanaparitaka eran’ny trano ny tsy zakan’izy ireo. Nanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ny mpitandro ny filaminana. Namoaka fanambarana manameloka ity tranga manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity koa ny Holafitry ny mpanao gazety.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.