Voarara tanteraka teo aloha teo ny fanaovana ireny fitaratra tsy tantera-pahazavana “vitre fumée” ireny ho an’ireo fiara tsy nahazo alalana. Lasa gaboraraka ny fanaovana azy ankehitriny.
Efa lasa fitadiavam-bolan’olona tsotra indray izy ity ankehitriny. Anisan’ireny ny lalana etsy Andavamamba mihazo an’Anosibe, eny Anosizato. 50.000 Ar ny saran’ny mandrakotra film ny fitaratra aloha sy aorian’ny fiara madinika iray ankoatra ny an’ny mpamily. 20.000 Ar kosa ho an’ireo efa manana ny akora ampiasaina. Mahatratra dimy isan’andro raha kely ireo tompona fiara tsotra tonga manao vitre fumée izay marihina fa tsy hanavahana sokajy intsony. Aiza ho aiza ny fanaraha-maso ireo karazana fiara manao azy ity ?
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.