Feno 15 taona tamin’ity taona 2017 ity ny nijoroan’ny fikambanana “Vital Fampandrosoan” izay niasa ho an’ny sosialim-bahoaka na tsy nisaraka tamin’ny fanaovana politika ihany amin’ny maha olom-pirenena ireo mpikambana ao anatiny.
Tao anatin’izay 15 taona izay dia tsy manadino ireo marefo mambra ao aminy ny fikambanana avy amin’ireo fokontany ao Toamasina sy ny zanak’izy ireo, ka ho famalifaliana ny zanaky ny marefo ao aminy ireo dia nisy ny fizarana kilalao sy vatomamy nataon’ny filoham-boninahitry ny fikambanana Mananjara James Antonio sy ramatoa vadiny mpitarika ny sampana vehivavy ny sabotsy tolakandro teo, tao Ankirihiry misy ny foiben’ny fikambanana. Tsy diso anjara koa ireo ankizy sy ireo beantitra ary ireo marefo tao amin’ny fokontany Beryl Rose P/elle13/64, ny alahady tolakandro teo, fa nizaran’ny fikambanana vatomamy sy menaka ary paty nahafahan’ny fianakaviana tsirairay avy nifety tamin’iny krismasy iny .
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.