Notokanana omaly ny tetezana any Farahantsana Mahitsy izay mampitohy ny kaominina Ampanotokana sy Ambohimasina.
Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena miampy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta no niatrika ny lanonana. Anisan’izany ny minisitry ny fitaterana sy famantarana ny Toetr’andro, Beboarimisa Ralava niampy ireo olo-manan-kaja sy manamboninahitra voafidy tany an-toerana. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny « Centrale Hydroélectrique » any Farahantsana. Nisy ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo olo-manan-kaja isan’ambaratongany, teo ihany koa ny fitsidihana ilay fotodrafitrasa vita sy ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana. Mifamatotra tanteraka, araka izany, ireo fotodrafitrasa roa ireo satria ny fahavitan’ity tetezana ity dia nanamarika ihany koa ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny ivontoerana famokarana herinaratra ao Farahantsana. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana sy ny orinasa tsy miankina Italiana Tozzi Green ireo fotodrafitrasa ireo. Tafiditra ao anatin’ny politika nasionaly vaovao momba ny angovo miompana amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozina ny fanamboarana ity ivontoerana mpamokatra herinaratra ity, afaka hamokatra 22MW farafahakeliny ho ana tokantrano miisa 200 000 amin’ny taona 2020. Hanampy amin’ny fampihenana ny sandam-pamokarana herinaratra eto Madagasikara sady hanamafy ny famokarana herinaratra amin’ny ankapobeny eo amin’ny tambajotran’Antananarivo ny tetikasa. Ny zavatra tsikaritra dia miroso tsimoramora amin’ny fanomezana vahana ny vahiny ny mpitondra amin’ny resaka famokarana herinaratra ary miha miala hatrany amin’ny orinasa Jirama.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.