Avy nilalao baolina ireto zazalahy dimy no nandeha nilomano tao anatin’ny ranomasina. Vokany, roalahy tamin’izy ireo maty dobo an-drano ny alahady hariva tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany. Nampandre ny olona manodidina ireo telo lahy nieren-doza
. Raha ny fizahana nataon’ny BMH dia voamarina fa tena maty tokoa izy ireo. Ny alin’ny alahady io dia efa hita natsingevan’ny ranomasina izy ireo. Tonga teny amin’ny village touristique izay nisehoan’ny loza ny ray aman-drenin’ireo zaza naka ny razana. Tsy ho ela dia hiatrika ny fetin’ny paska isika ka tokony hitandrina ihany ny rehetra, indrindra ho an’ireo mandeha manatona ny ranomasina satria dia matetika amin’ny vanim-potoanan’ny fety no hisehoan’ny loza. Ny tanjona rahateo ny fety hieren-doza.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.