Actualités

Vidin’entana ilaina andavan’andro Raikitra ny fanararaotana


  • Talata 09 Janoary 2018

Tsy dia mbola nahitana fiakarany firy hatreto ny vidim-bary ho an’ireo mpamongady na dia nisy aza ny fahatapahan-dalana ao Toamasina sy Antsirabe izay mampiitsoka ireo fiarabe mpitatitra entana ho aty Antananarivo, raha ny hita teny Anosibe sy ny manodidina omaly.

  Manodidina ny 1500 ariary ka hatramin’ny 1800 ariary hatreto hatreto ny kilaon’ireo vary nafarana raha 1300 ariary kosa ny kilaon’ny makalioka. Izany hoe mbola manodidina ny 75.000 ariary hatramin’ny 90.000 ariary ny kitapon’ireo vary vahiny. Ny vidin’ireo voamaina, indrindra, ny tsaramaso sy ny kabary kosa no efa nahitana fiakarana sahady vao nanombonomboka kely ny andro ratsy ary dia nampimenomenona sy noraisin’ny ankamaroan’ny mpanjifa ho fanararaotana moa izany satria hoe vao roa andro ve no nisian’ny rivodoza dia efa hita ho nisy fiakarana sahady ny vidin’entana? Raha 2800 ariary teo ny kilaon’ny tsaramaso, ohatra, teo aloha dia nahitana fiakarany 200 ariary sahady satria amin’ny ankapobeny dia lasa 3000 ariary.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT