Tena nidina marina ve ny vidin’ny solika sa tsia ? Izany indray no adihevitra teo amin’ireo mpampiasa fiara ny faran’ny herinandro teo.
Rehefa tena maka solika eny amin’ny tobin-dasantsy mantsy ka atao ny kajy dia tsy arakarak’ilay vidin’ny litatra misoratra mivandravandra amin’ny takelaka lehibe no hita eo amin’ny paompin-tsolika fa hafa mihitsy. Tranga tena nisy izany fa tsy foronina sanatria. Teny amin’ny toby fivarotan-tsolika iray teny Anosizato, ohatra, dia nazava mihitsy ny nambaran’ny marika teo amin’ilay tabilao elektrônika amin’ny paompin-tsolika fa dia 3000 ariary ny 1 litatra amin’ny lasantsy. Ny soratra hita eny amin’ireo tobin-dasantsy rehetra anefa dia 2990 ariary ny litatra amin’ny “sans plomb 95” ary 2970 ariary koa ho an’ny “sans plomb 91”. Efa misy elanelana 10 ka hatramin’ny 30 ariary amin’ny vidiny ambara sy ny vidiny tena mihatra izany raha izay tokoa no mitranga. Vitsy ihany moa no mahatsikaritra io tena vidin’ny solika io ireo mpitondra fiara saingy mora hita ilay izy raha dinihana tsara. Eto amintsika mantsy dia tsy dia ny litatra vidiana matetika no tononina fa ny sarany, ka raha mividy lasantsy 3000 ariary izany, dia ho hita mibaribary fa 1 litatra katroka no azon’io. Raha izany rehetra izany no dinihana dia mitazona ihany ilay vidin-tsolika 3000 ariary izany ireo mpaninjara eto amintsika fa mody nanaiky fotsiny ny baiko avy any amin’ny FAT mba hampidina ny vidin-tsolika. Ny mampanahy ny maro amin’ity resaka ity koa dia sao sanatria efa nifanarahan’ny fitondrana tetezamita sy ireo mpandraharaha ihany ilay izy fa ny vaovao fotsiny no mody naparitaka sy natao nahoraka mba tsy hahatezitra ny olona manoloana ny fisondrotry ny vidin-tsolika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.