Nahomby ny ramatahora nataon’ny FAT tamin’ny alalan’ny ministry ny harena ankibon’ny tany Mamy Ratovomalala tamin’ireo orinasa mpaninjara solika.
Nampidina ny vidin-tsolika ao aminy ny orinasa Total sy ny Galana, ora vitsy taorian’ny fampitandremana nataon’ity ministra ity omaly antoandro izay nanizingizina fa “tsy maintsy averina amin’ny vidiny teo aloha ny solika eny anivon’ireo toby fivarotan-dasantsy rehetra vao hisy ny fifampidinihina ary handray fepetra ny fitondram-panjakana raha miziriziry amin’ny heviny ireo orinasa”.
Lasa 2620 ar ny gazoala amin’ireo toby Total raha 2780 ar kosa ny super 91. 3060 ar kosa ny super 91 ho an’ny Galana ary 2630 ar ny gazola. Samy nihevitra hampakatra ny saran-dalana avokoa ireo zotra rehetra taorian’ny fisondrotry ny vidin’ny solika ny faran’ny herinandro lasa teo. Manizingizina anefa ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany fa tsy maintsy averina amin’ny vidiny teo aloha ny solika eny anivon’ireo toby fivarotan-dasantsy vao hifampidinika amin’ireo orinasa mpaninjara solika ny fanjakana. Nanamafy i Mamy Ratovomalala fa “handray fepetra ny fitondrampanjakana raha miziriziry amin’ny heviny ireo orinasa ireo”. Efa nisy, hoy izy ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny volana febroary mba hanalefahana ny vesatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ireo mpaninjara ka anisan’izany ny fampidinana ho 230 Ariary isaky ny litatra ny haba hamatsiana ny Tahiry fikojana ny lalana (FER) izay 280 ariary isaky ny litatra teo aloha. Ankoatra izay dia efa nomena tombony manokana hanakalo vola vahiny mivantana eny anivon’ny Banky Foibe koa ireo orinasa mpaninjara ireo. Na izany aza dia niaiky ity tompon’andraikitra voalohany momba ny angovo sy ny solika ity fa mihena ny vola miditra amin’ireto farany raha tazonina ny vidin’ny solika teo aloha ary tsy midika akory izany fa miditra fatiantoka izy ireo. Ankoatra izay dia hentitra koa ny tenany momba ny fampiharana ny tena vidin’ny solika marina satria tsy ahitana taratra ny fahalalahan’ny ny vidin-tsolika ampiharin’ireo mpaninjara izay saika mitovy avokoa. Tsy mitombina ny fitovian’ny vidin’ny solika satria samy manana ny mpamatsy azy avy ireo kaompania efatra.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.