Actualités

Vidin-tsolika Mampiady ny mpitondra ?


  • Alakamisy 23 Aogositra 2012

Miteraka resabe ny momba ny vidin-tsolika eto amintsika amin’izao fotoana na dia efa nifanaraka teny Mahazoarivo aza ny praiminisitra sy ny tale jeneralin’ny Total fa haato ilay fampiakarana, ny talata lasa teo.

 Ny harivan’io sy omaly anefa dia mbola nitazona ilay vidin-tsolika niakatra ihany ny Total. Nitombo 100 ariary ny super raha toa ka 50 ariary ny Gasoil ary 60 ariary ny solika fandrehitra. Ny Shell aza moa dia nahatratra 120 ariary be izao ny fisondrotan’ny lasantsy super tao aminy. Tao amin’ny onjampeo Viva, omaly antoandro no nandrenesana fa miteraka ady sy fifandirana eo anivon’ny fitondram-panjakana ity resaka vidin-tsolika ity.

Nambaran’ireo mpanentana ny fandaharana mantsy fa ny praiminisitra sy ireo olona manodidina azy dia toa miaro ny tombontsoan’ireo orinasa goavana mpandrahara ara-tsolika, raha mitaky ny tsy hampiakarana ny vidin-tsolika ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-miasa aminy. Raha izay tokoa no izy dia ho henjana izany ity raharaha ity, ary mety hiteraka fivakisana indray eo amin’ireo samy mpitondra, ary mety hampitombo ny fifandirana eo amin’Atoa isany Andry Rajoelina sy Omer Beriziky, izay efa hita mibaribary fa tsy mifanara-tsaina intsony fa toa samy mandeha samy mitady izany. Ny tsapa koa tato ho ato izay dia totoafo ny fanakianana ny praiminisitra Beriziky avy amin’ireo olona tena akaiky ny filohan’ny tetezamita.

Efa nivoaka mihitsy aza ny feo mialoha ny dinika tapany faharoa natao tatsy Seychelles fa mety hosoloina ity praiminisitra ity. Raikitra indray izany ny fifandirana amin’ny samy manam-pahefana, noho ny resaka vidin-tsolika. Mbola hisy moa rahampitso zoma ny fifampidinihana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpandraharaha amin’ny solika mba hikarohana vahaolana sy marimaritra iraisana. Azo antoka mantsy fa tsy maintsy hiteraka olana ara-tsosialy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT