Tsy maintsy niditra an-tsehatra nifampiraharaha tamin’ireo orinasa vahiny mpaninjara solika eto Madagasikara ny fitondrana mahefa ho fisorohana ny fidangan’ny vidim-piainana izay mihoatra ny tokony ho izy tamin’izao volana febroary 2017 izao, hoy ny minisitry ny Angovo mpisolo toerana vonjy maika Raveloharison Herilanto.
Tsy midika ho fiverenan’ny fanjakana amin’ny famerana ny vidin-tsolika kosa anefa izany, hoy ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Misy rahateo ireo singa isan-karazany mamaritra ny vidin-tsolika eny amin’ireo toby mpivarotra toy ny vidim-bokatra eo amin’ny tsena iraisampirenena na koa ny sandan’ny vola ariary Malagasy manoloana ny vola fifanakalozana dolara. Tanjon’ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta moa ny hitazonana ny vidin-tsolika teo aloha mandritra ny volana febroary iray manontolo. Efa tsy maintsy eritreretina kosa anefa ny fisondrotan’izy io afaka 3 volana, araka ny fanampim-panazavany.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.