Tsy « poisson d’avril » fa tena izy ! Niakatra indray ny vidin’ny solika teto Madagasikara ny alahadin’ny paska 1 aprily lasa teo. Samy nahitana fitomboany 90 ariary isaky ny litatra na ny lasantsy na ny gazoala.
Raha 3930 ariary ny litatry ny essence sans plomb 95 teo aloha dia lasa 4020 ariary izany , ary raha 3280 ariary kosa ny litatry ny gazoala dia niakatra ho 3370 ariary ankehitriny. Io no fanomezana paska ho an’ny vahoaka malagasy avy amin’ny fitondram-panjakana. Tampoka teo anefa omaly alatsianiny 2 aprily hariva dia nidina indray ny vidin-tsolika, izany hoe niverina tamin’ilay vidiny teo aloha ka 3280 ariary ny gazoala, 3930 ny lasantsy ary 2440 ariary ny litatry ny solika fandrehitra. Fa inona no nitranga ? Nampiakatra vidin-tsolika an-tsokosoko ve izany ireo kaompania lehibe 4 misy eto ka nobedesin’ny fanjakana dia nampidina indray ? Sa efa noho ilay fimenomenomana sy fahasosoran’ny olona tetsy sy teroa ny alahady sy omaly alatsinainy dia nikoropaka ny fitondram-panjakana ka nitady marimaritra iraisana tamin’ireo kaompanian-tsolika mba hamerenana ny vidiny teo aloha ? Azo antoka mantsy fa vao miha hanaratsy endrika ny fitondrana HVM io fiakaran’ny vidin-tsolika io izay mifanandrify indrindra amin’ny fandaniana ireo lalàna fehizoro momba ny fifidianana eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza anio.Etsy ankilan’izay anefa tsikaritra ihany koa fa mampiasa ity vidin-tsolika ity ho toy ny fitaovana politika ny fitondrana HVM ka mody tazonina aloha na ampidinina mihitsy aza ny vidiny mba tsy hampikorapaka na hahatezitra ny olona mpifidy; saingy ny ratsy amin’izay dia hidangana be avy eo ny litatry ny lasantsy sy ny gazoala rehefa vita ny fifidianana satria tsy maintsy henjehana ilay elanelana sondro-bidy tsy natao. Re mantsy fa tsy maintsy ho avy ny fampiakarana io vidin-tsolika io satria izay no baikon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) hoe atao manaraka ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny an’ny firenena maro. Tsara ho fantatra fa ho an’ny atsy amin’ny nosy La Réunion izay manaraka ny zava-misy any Frantsa amin’ny ankapobeny raha ny vidin-tsolika no resahana dia 1,42 euros na 5644,5 ariary iray litatra amin’ny lasantsy (supercarburant) ary 1,12 euros na 4452 ariary kosa ny iray litatra ho an’ny gazoala, vidiny nihatra nanomboka ny alahady 1 aprily teo koa io. Ny an-dry zareo aza somary nidina ny vidin’ny solika (nihena 1,44%) sy ny etona fandrehatra (gaz) raha toa ka tsy niova kosa ny saran’ny gazoala. Tsy azo ampitoviana anefa satria tena mifanalavitra ny faripiainan’ny Reinioney sy ny Malagasy ka hanahirana ny hieritreritra ny vidin-tsolika 5000 ariary eto Madagasikara satria tena hitarika krizy ara-tsosialy goavana. Misy foana ny vahaolana saingy mampametra-panontaniana ihany hoe :mahavita mikaroka sy mampihatra io vahaolana io ve ny mpitondra eto amin’izao fotoana, izay toa lany andro miala bala sy manilika ny tsy fahaizany any amin’ny hafa foana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.