Manomboka mahoraka eo anivon’ny tontolon’ny fandraharahana eto Antananarivo tato anatin’ny andro vitsivitsy izao fa tsy maintsy hiakatra ny vidin’ny solika aorian’ny fetin’ny fahaleovantena, izany hoe amin’ny herinandro ambony.
Sady tsy manda no tsy manaiky io resaka io ny ao amin’ny Galana Raffinerie Toamasina raha nanontaniana omaly. Efa elaela ihany, araka ny tsiliantsofina re no nieritreritra ny hampiakatra izany ireo mpandraharaha amin’ity sehatra ity, saingy tsy notanterahana izany noho ny fiangavian’ny FAT. Na tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity aza, dia mbola nisy ny fivoriana momba azy ity. Nandritra izany no nifanekena fa tsy mety raha mialoha ny 26 jona sy ao anatin’izany fety aman-danonana no hampiakarana ny vidin’ny solika fa aleo mihitsy aorian’ny fety. Tahaka ny efa mpitranga mahazatra moa dia mety amin’ny alina, na vao maraim-be no anaovana izany vidin-tsolika izany eny amin’ireo toby mpaninjara samihafa eto amintsika.
Ny anton’izany rehetra izany moa dia satria nihen-danja raha oharina amin’ny dolara ny ariary ; amin’ny vola dolara anefa no hividianana ny solika any ivelany, ka tsy maintsy hampiakatra ny vidiny ireo orinasa mpanafatra solika raha tsy te hiditra fatiantoka. Raha manam-bola ny Fanjakana dia afaka mifampiraharaha amin’ireo orinasa efatra goavana mandraharaha amin’ity resaka solika ity eto amintsika, izany hoe mety hiditra amin’ny fanaovana ny «subvention» ny fanjakana. Ain-dehiben’ny fiainam-pirenena mantsy ity solika ity, ka raha vao miakatra ny vidiny dia hiakatra haingana be manaraka izany koa ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny, ka mety hiteraka korontana sosialy izany satria amin’izao fotoana aza efa mahatsiaro ho sahirana ny olona, vao mainka hiakatra indray ny vidin’ny solika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.