Hihodina manomboka ny alakamisy 28 jona izao ny milina 2 an’ny orinasa Jovenna eny Ambohimanambola, izay natao andrana omaly. Mandeha amin’ny menaka mavesatra na “Fuel lourd” izy ireo.
Hanaraka izany aoriana kely ny an’ny Symbion Power sy ny Aksaf Power, ka hahatratra 140MW ny tanjaky ny herinaratra hovokarin’ny milina ampiasain’ireo orinasa ireo, izay ambaran’ny tompon’andraikitry ny Jirama fa hanafoana tanteraka ny delestazy eto Antananarivo. Azo heverina ny hidinan’ny vidin-jiro, hoy hatrany ny tompon’andraikitr’ity orinasa ity. Mikasika ny politikan’ny angovo kosa, dia hatolotra holanian’ny antenimieram-pirenena amin’ny volana oktobra ny lalàna vaovao momba ny angovo eo anelanelan’ny taona 2015-2030. Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny fisitrahana herinaratra izay tsy misy afa tsy 15% amin’izao fotoana izao, ka ho lasa 70% amin’ny alalan’ny tetikasa maro be efa nanomboka hatry ny ela, ka efa fanintelony ny nisian’ny atrikasa raha ny fanazavana nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny rano sy angovo ary ny akoran’afo Laurent Rajaonarivelo omaly. Miandrandra ny hidiran’ny mpampiasa vola ary mila filaminana mba tsy handosiran’izy ireo, hoy ity tompon’andraikitra ity. Ny eny ambanivohitra no tena ady goavana, ka mila fepetra tsara sy mazava harahin’ny rehetra, ka mila mipetraka tsara ny lalàna mba tsy hisian’ny fikorontanana, hoy i Laurent Rajaonarivelo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.