Actualités

Vidin-javatra Misoko miakatra mangina


  • Zoma 04 Janoary 2013

Nanamarika iny taona 2012 iny ny fiakaran’ny faktioran’ny Jirama, ny fiakaran’ny vidin-tsolika ary ny fiakaran’ny saran-dalana raha ny teto an-drenivohitra.

 Maro sahady koa no manahy fa “tsy maintsy hidangana ny vidin-javatra amin’ity taona vaovao ity. Ny vary efa 100 – 150 Ariary ny fiakarany, ny sigara aza 50 Ariary ny fiakarany, ny enta-madinika ilaina andavanandro manomboka 150 – 300 Ariary ny fisondrony, misy aza efa mananiky ny 500 Ariary izany”. Izay no mahakivy ny sarambabem-bahoaka raha nandre ny kabarin’i Andry Rajoelina ny 31 desambra lasa teo. “Kabary mahakivy, tsy ireny mihintsy no nandrasako. Izy ihany no efa nilaza fa filoha vaovao no hitondra an’i Madagasikara amin’izao taona vaovao izao, nefa tsy tanteraka izany ka tokony hasiany fanazavana ny antony.

Mbola i Andry Rajoelina ihany koa no nanambara tamin’ny taon-dasa fa ho taom-pifidianana ny taona 2013, nefa ny kabariny tsy niresaka firy ny mikasika izay, fa fitanisana zava-bita efa fantatra ireo no nataony”, hoy ny nambaran’ity raim-pianakaviana ity raha naneho ny heviny momba ny lahatenin’i Andry Rajoelina ny alin’ny 31 desambra 2012. Nohamafisiny aza fa “raha ireny kabary ireny no zohina dia tsy matoky ny hahavitan’ny fifidianana amin’ity taona ity aho, ary ahiako aza fa hisy raharaha politika hafa hitranga indray amin’io, izay tena handentika lalina ny firenena satria manahy ny hanao ny fanaony toy ny teo aloha handeha irery indray ny ekipan’i Andry Rajoelina”.

Ho an’ny mpiasam-panjakana nilaza ny heviny kosa, dia ny tsy fahenoana ny mba ho fiakarana kely amin’ny karama no nahakivy azy ireo ka nilazan’izy ireo fa “mahaviky ny ataon’ny filohan’ny tetezamita. Nahoana moa ny tafika sy ny zandary ary ny polisy nomena fisondrotana mangingina ny volana desambra teo nefa ny mpiasam-bahoaka manao ny asam-panjakana tsy hasiana hasina sy tsy jerena ?”.

Rakoutou 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT