Actualités

Vidim-panafody Miaka-bidy ihany koa


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Taorian’ny fiakaran’ny JIRAMA dia nahitana fiakarana ihany koa ny vidin’ny fanafody eny amin’ny toeram-pivarotana eto Madagasikara. Araka izany dia mikaikaika ny maro indrindra fa ireo manana ny marary mainka moa ireo miditra hopitaly.

Iaraha-mahita ireny lisitra lava be omena any amin’ny toeram-pitsaboana ireny kanefa ny fahefa-mividy tsy maharaka. Izany indrindra no mahatonga ny fianakaviana sasany manao lisitra vaovao manala ny fanafody izay tsy zakan’ny vola. Vokany, tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny fitsaboana. Ny fitotongan’ny Ariary moa no tena antony mampidangana ny fanafody satria mbola maro ireo fanafody hafarana avy any ivelany. Misy ihany koa anefa ireo fanafody fampiasa matetika izay tena lany tanteraka ka manararaotra mampiaka-bidy ireo toeram-pivarotana izay mbola manana. Taorian’ny fiakaran’ny cotrim tamin’ireny pesta nandravarava ireny, ohatra, dia mitombo indray koa ny vidin’ny fanafody gripa toy ny ibuprofèn, paracetamol, aspirine eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody. Ankoatra izay, ny fanafody tosidra, fahasemporana dia nahitana fisondrotany ihany koa raha 5000 Ariary izy ireny taloha, izao efa jifaina hatrany amin’ny 7000 Ar ny boaty. Mazava ho azy fa ny vahoaka madinika no tena voa mafy amin’izany rehetra  izany fa ny mpitondra mandeha mitsabo tena any andafy rehefa tojo tsy fahasalamana. Ny zavatra tsikaritra dia tsy avelan’ity fitondrana ity hisotro rano mihitsy ny Malagasy fa ataony kenda roroka : vidim-bary, JIRAMA, solika, fanafody. Asa inona indray no hisondro-bidy ato ho ato ?

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT